Tamin’ny taona 1923 no niorina teto Madagasikara ny skotisma katolika. Mbola sampan’ny Scout de France izy tamin’izany. Ny taona 1957 kosa izy dia efa nahaleo tena ka nitondra ny anarana hoe “Antilin’i Madagasikara” na
AIM ka voafehin’ny hitsivolana faha 60133 tamin’ny 03 – 10 – 60 izay nasiam-panovana tamin’ny hitsivolana 75017 tamin’ny 19 – 08 – 75 . Mpikambana ao amin’ny
CICS
(Conférence Internationale du Scoutisme Catholique ) sy ny
OMMS
(Organisation Mondiale du Mouvement Scout) izy noho izy ao amin’ny
FSM (Firaisan’ny Skotisma Malagasy) hatramin’ny 16 – 12 – 60.
Amin’ny maha fikambanam-panabeazana ho amin’ny fitoriana ny evanjely azy dia nankatoavin’ny fivoriamben’ny eveka tamin’ny 1957 ny fijoroany eo anivon’ny eglizy katolika toy izany koa ny maha mpikambana azy ao anatin’ny vovonan’ny tanora sy ny CEPAL. Araka ny fitsipi-pitondrana sy ny fitsipika antokantrano
mifehy azy dia afaka miara-miasa amin’ny fikambanana hafa mitovy tanjona sy zava-kendrena amin’ny ny fikamabanana mandritry ny fotoana voafetra. Feno 5300 ankehitriny ireo mpikambana ara-dalana nahaloa vatom-panorenana ary diosezy 20 amin’ireo 21 eto Madagasikara no irotsahan’ny AIM ka anabeazany ankizy lahy sy tanora amin’izao fotoana izao.
Azo sokajiana ho telo ny mpikambana ato amin’ny Antilin’i Madagasikara : Ny mpikambana Mpanabe sy Mpiahy (Membres titulaires) , dia ireo izay nomem-pahefana sy nankatoavina hampiasa sy hampihatra ny fomba fanabeazana skoto ary hampanaja ny fepetra amam-pitsipika mifehy ny Fikambanana. Ny mpikambana Beazina (Membres adhérents) dia ireo ankizy sy zatovo lahy beazina sy miofana araka ny skotisma. Ny Sakaizan’ny Antilin’i Madagasikara (Membres associes) dia ireo izay mankasitraka ny Fikambanana ka mirotsaka ao anatin’ny Fikambanan’ny sakaiza isaky ny ambaratonga.
Ireo singa fito mandrafitra ny vato fehizoron’ny fanabeazana Antily-Ny lalàna sy velirano: faneken’ny ankizy sy tanora hiezaka hivelona amin’ny soa toavina skoto izay ambarany amin’ny teny sahaza ny taonany sy ny fiaraha monina malagasy -Ny fiainana an-tarika: mampiombona ny ankizy na tanora 6 na 8 mitovitovy taona ao anatin’ny tarika iray. Ao izy no miara-monina, mizara andraikitra, mifanohana sy mifanitsy am-pirahalahiana. -Fifandraisan’ny mpanabe sy beazina: olon-dehibe matotra sy niofana no miara-dalana amin’ireo beazina: miahy sy manampy ireo ankizy sy tanora toy ny zoky no andraikiny -Lahasa avy hatrany no anabeazana ato amin’ AIM fa tsy fampianarana, na resa-be -Lahasa mahaliana sy mahasarika: lahasa ezahina hamaly ny hetahetan’ireo beazina, iarahany tapahina sy omamina ary tanterahana -Lahasa mampivoatra ny tenany: lahasa amantarana zava-baovao, ampiasana fahaizana, sady mahamatotra toetra amam-pihetsika -An-kalamanjana indrindra no anabeazana mba hisetrana ny natiora hamolahana azy fa indrindra hitiavana azy Ireo hevitra fototra ijoroan’ny fanabeazana AntilyRaha fihavanana no resahina dia tokony hiseho hatrany ny fanampiana, ny fanajana, ny fitokisana ary fitiavana -Mihavana amin’ny tenany, izany hoe: matoky ny tenany sy ny ho aviny, mijoro amin’ny maha izy azy ary mandray an-tanana ny fivoaran’ny tenany -Mihavana amin’ny tontolo iainany, izany hoe: mamantatra sy tia ary matoky ny tontolo iainany ka tsy very mandeha na an-tsaha na an-tanàna. -Mihavana amin’ny mpiara-belona, izany hoe: vonona hihaino sy hijery ny mpiara-belona aminy, hampahomby ny fifandraisana aminy. Mamantatra sy mampihatra ny atao hoe marina, rariny, hitsiny ary firaisan-kina. -Mihavana amin’Andriamanitra, izany hoe: matoky ny heriny sy ny fitiavany ka mivelona araka ny finoana. Mandray andraikitra ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. OLAN’NY TANORA ANKEHITRINY Misetra olana toy ny an’ny firenena maro ny toe-karena malagasy. Mahavalalanina ny vahoaka koa ambonin’izany ireo foto-kevitra maro karazany aroson’ireo mpanao pôlitika. Miantraika amin’ny fiainanan’ ny mponina andavan’andro avokoa izany Etsy andaniny ny rafi-pampianarana tsy afaka samy irery hiantoka ny ho avin’ireo tanora. Napetraka ho laharam-pahamehana mantsy ny fanabeazana fototra ho an’ireo kilonga kely koa hadinodino ny anjara manandrify ireo zokiny. Manana ny filany toy ny olon-drehetra anefa ireo tanora ireo: ankoatra ny sakafo sy fitafiana ary trano fonenana dia mila fitsaboana sy fanabeazana mifanentana sy mahomby hampivoatra azy koa izy. Miandrandra fampandrosoana haingana sy maharitra hampiadana azy ankehitriny ary hiantoka ny ho aviny ireo tanora ireo, manantena foana ny hitrandrahana ireo harena malaza fa betsaka sy maro karazana eto amin’ny taniny izy. Noho izany mahazo vahana eo amin’ireo tanora very lalana ny zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena izay heveriny fa vaha olana haingana indrindra hahafa-diana ny filany. Etsy andaniny mianaka ny areti-mifindra indrindra ireo vokatry ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Mitobaka ny vola hiadiana amin’ireny fa mbola be ihany ny voa, mbola maro ny tsy sitrana amin’ireo vahoaka tsy afa-miaro tena. Ny skotisma izay fikambanana manolotra fanabeazana tsy manara-penitra dia mikaroka hatrany vaha olana ho an’ireo tanora. Izany indrindra no nankatoavin’ny AIM soridalana efatra lehibe tamin’ny fivoriambe notontosainy tany Fianarantsoa tamin’ny Aogositra 2005 dia ny: -Fanomezana andraikitra sy sehatra ho an’ny tanora -Fitsinjovana ireo sakan-jaza -Fitsinjovana ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana -Teti-pibeazana Skoto tsimialonjafy Fanomezana andraikitra sy sehatra ho an’ny tanora : Manavaka ny fahaleovantena, izay manifika ny hafa sao manelingelina azy, sy ny fahazakan-tena izay fandraisana an-tanana ny momba ny tena ny AIM. Manavaka ny vidin-javatra izay miompana amin’ny vola sy harena sy ny soa toavina manome hasina ny olona ny AIM Hanatanterahana izany dia manabe ankizy sy tanora afaka miara-miaina, miara-manapa-kevitra, sy mizara andraikitra araka ny taonany sy ny toe-javatra iainany ny AIM. Manome laka ny tanora ny AIM ka vao feno 18 izy dia efa afaka manampy amin’ny fiandraikeketana ankizy na tanora eo amin’ny 20 eo ho eo, ary herintaona aorian’izay dia azo omena andraikitra eo amin’ny fanabeazana na fitantanana Fitsinjovana ireo sakan-jaza: Fotoana sarotra tsy maintsy lalovan’ny tanora ary manahirana ny ray aman-dreny ny sakan-jaza izay tetezana mampita ireo ankizy ho lasa olon-dehibe. Manampy ireo sakan-jaza ny AIM amin’ireo lahasa maro karazana manome sehatra azy hampiasany ny heriny safomorona, sy handrafetany ny maha izy azy Fitsinjovana manokana ireo tompon’andraikitra: Tsy afa-misaraka amin’ireo olon-dehibe mirotsaka an-tsitra-po ato amin’ny fikambanana ny AIM. Izy ireny no miara-dalana amin’ireo ankizy sy tanora ary manatontosa ny fanabeazana sy fitantanana. Tsy maintsy omen-kasina sy tohanana izy ireo noho izany ka asongadina manokana ireto: Fametrahana fomba fandraisana tsy tapaka mandavataona Fanaikana amin’ny alalan’ny fanasinana sy fankasitrahana ny zava-bitany Fanofanana manara-drafitra sy tsy manara-drafitra Fanjohiana sy fanohanana ara-pitaovana sy ara-kevitra Fanombanana ara-potoana handinihana ny zava-bita sy hamaritana ny tanjona
Ny teti-pibeazana “skoto tsimialonjafy” Ny atao hoe teti-pibeazana dia fandrindrana ny skotisma fototra amin’ny hetaheta amam-pilan’ny ankizy sy tanora ary ny toe-javatra iainany ao amin’ny firenena iray. Amin’izao andron’ny fanatontoloina izao, ny teti-pibeazana skoto tsimialonjafy dia natolotry ny OMMS araka ny tanjon’ny taona 2000 navoakan’ny ONU hiatrehana ireo olana iombonan’izao tontolo izao toy ny: Tsy natao hanolo ny teti-pibeazana efa iainan’ny fikambanana isam-pirenena akory ny skoto tsimiaolonjafy fa natao kosa hanampy azy hisokatra sy hifandray ary hifampirahara amin’ny fikambanana hafa fa indrindra hahay hamaha ny olana eo amin’ny tontolo iainany. Tsy tetik’asa ny skoto tsimaialonjafy fa teti-pibeazana noho izany tsy misy vola akory omen’ny OMMS fa anjaran’ny fikambanana no mandamina izay lahasa ataony sy mikaroka izay fomba hanatanterahany izany. Ny AIM dia nanapa-kevitra ny hantanteraka ny teti-pibeazana skoto tsimialonjafy ka nandamina izao asa izao: Fananganana ivo-toerana skoto tsimialonjafy manerana ny nosy ahafahan’ny tanora mamantatra sy manatanteraka lahasa. Fanomezana brevet skoto tsimialonjafy ho an’ireo tanora nahavita aradalana ny lahasa nokasainy atao teo amin’ny ivotoerana. Ny ivotoerana tsirairay dia tafiditra ao anatin’ny tranonkala skoto tsimialonjafy (réseau scout du monde) |