Eo ambonin’ny Tonelina Ralaimongo, Andohan’Analakely, Antananarivo, no misy ny Foiben-toeran’ny Fikambanana. ANTILIN’I MADAGASIKARA Ambonin’ny Tonelina Ralaimongo Atsimon’Analakely Antananarivo Tél/Fax 261 26 038 25 adresse électronique :antily-foibe@antily.org BP 1652 Antananarivo (101) Ny Filoha Iombonana Olona iray tendren’ny Filankevitra Nasionaly ka ankatoavin’ny Fivoriam-be, antsoina hoe : Filoha Iombonana no mitondra ny Fikambanana. Manangana ekipa antsoina hoe : « Foibe » hiara-miasa aminy amin’ny fitondrana sy ny fitarihana ny asam-panabeazana amam-panofanana ataon’ny Fikambanana sy ny asam-pandaminana amam-pitantanana ilain’izany, ary ny raharaham-pifandraisana samihafa sahanin’ny Fikambanana ny Filoha Iombonana.. Ny Misolo Tena Ny Fikambanana Ny Filoha Iombonana, na raha tsy afaka izy dia mambran’ny Filankevitra Nasionaly voatendrin’ny Filankevitra Nasionaly mazava, no misolo tena ny Fikambanana amin’ny raharaha rehetra ilàna izany na ara-panjakana, na ara-pitsarana na ara-barotra. Ny Filoha Iombonana no mahazo mampamoaka ny volam-pikambanana. Tsy maintsy mizaka tanteraka ny zony rehetra amin’ny maha-olom-pirenena azy ny solontenan’ny Fikambanana. |