ANTILIN'I MADAGASIKARA

1907

2007

Feno zato taona ny skotisma eran-tany

Firaisan'ny Skotisma eto Madagasikara

  

Antily

Fanilo

Kiady

Tily

Mpanazava

  

 

Emmanuel ANDRIANAIVO

(Bison Maharitra)

Filohan'ny FSM

     Ny Kiadin’i Madagasikara, ny Tily eto Madagasikara, ny Antilin’i Madagasikara, ny Fanilon’i Madagasikara, ny Mpanazava eto Madagasikara dia fikambanana manabe ny ankizy sy ny tanora malagasy araka ny foto-kevitra sy ny fomba fanabeazana skoto nolovaina tamin’i Baden Powell.

    Ny OMMS na Organisation Mondiale des Mouvements Scouts.dia tsy mankatoa afa-tsy fikambanana iray na firaisana fikambanana iray isaky ny firenenana, noho izany tsy maintsy mivondrona ao anatin’ny Firaisan’ny Skotisma Malagasy ireo fikambanana skoto eto Madagasikara raha te hiditra ao anatin’io fikambanana iraisam-pirenena io

 
 
 

JOTA JOTI, Tontosa soa amantsara ny JOTAJOTI ny 19-20-21 Octobra 2007, nahitana mpandray anjara miisa eo amin'ny 300 eo ho eo nanerana ny nosy, ireto avy ireo toerana afaka nifandray tamin'ny alalan'ny BLU nandritra izany hetsika izany : Antananarivo, Manjakandriana, Mahanoro, Maevatanana, Fianarantsoa, Taolagnaro, Morondava, ireo no tanteraka dia noho ny fiarahamiasa tamin'ireo mpiaramiobon'antoka amin'ny fanabeazana  Skoto rehetra nahitana ny :

Radio Amateur
Office de Transmission Millitaire de l'Etat ( OTME)
OMERT
Ministeran'ny Fanatanjahatena
Ministeran'ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra
Ministeran'ny Fanabeazam-pirenene sy Fikarohana Siantifika (Call center)
Ministeran'ny Tontolo iainana, Rano sy Ala
Ministeran'ny Asa vaventy sy famantarana ny toetr'andro
Ministeran'ny Harena an-kibon'ny tany
Ministeran'ny Fahasalamana
Ny Gendarmeria Nationaly
Ny Radio Madagasikara
sy ireo haino amanjery  ary ireo malalatanana isan-tsokajiny avy tany amin'ny faritany sy diosezy nisy ny tsirairay avy

Marihina ihany koa fa isika FSM no faha 7 nifandray tamin'ny Bureau Mondial taminy alalan'ny BLU amin'ny frenena 146 nandritra ny JOTAJOTI 2007 iny

 

 

JOTA JOTI  2007

 

faha zato taona teto

Madagasikara

 an-tsary

 

  Bureau Mondiale OMMS
  Region Afrique
  Zone E /Ocean Indien

  Bureau Mondiale AMGE

  Firaisamben'ny skotisma Malagasy

Filoha iombonana Tily

 

Filoha iombonana Mpanazava

 
Filoha iombonana Kiady 
Filoha iombonana Fanilo 
Filoha iombonana Antily 
   

Nankalaza ny faha zato taonany ny skotisma manerantany, ny 1 aogositra lasa teo, nototosaina teny Ambohidrtrimo izany, izay nahitana ny fandraisana anjaran'ny  fikambanana 5 mamorona ny firaisamben'ny skotisma eto madagasikara. 
Notanterahina teto amintsika ihany koa ny Konferansy faha 7 ny Zone E, nahitana ny fandraisana anjaran'ireo nosy rahavavy ato amin'ny Faridranomasina Oseana Indiana dia Madagasikara, Seychelles, La reunion, Maurices, comore no tsy nahatonga solontena.... 
Tontosa so amantsara ny Assemble Generalen'ny Antilin'i Madagasikara arapotoana ny 23 jolay 2007 lasa teo teny Itaosy, araka ny notapahin'ny Filankevitra nationaly tany moramanga heritaona lasa izay, nandinihana ny fiainam-pikabanana sy ny lalana hizorany indray ato anatin'ny 6 taona manaraka.  
Notontosaina ny Asabotsy 13 okobra 2007 teo ny Fanokafana ny Taom-pikatrohana Tily sy Mpanazava eto Madagasikaratamin'ny amin'ny fomba ofisialy, tao amin'ny Foibe tily Antsahamanitra no nanatotosana ny lanonana, izay nohotronin'ny FSM sy ireo olomanankaja maro mpiaramiombon'antoka amin'ny Fikambanana Skoto  
 

 

 

 

ANTILIN’I MADAGASIKARA

Ambonin’ny Tonelina Ralaimongo Atsimon’Analakely Antananarivo

Tél/Fax 261 26 038 25 – adresse électronique : antily-foibe@antily.org

BP 1652 Antananarivo (101)

copyright Antilin'i Madagasikara Aout 2007 

 

Mise a jours le 30 Oct 07               Fédération du Scoutisme à Madagascar     Antily      -     Fanilo     -      Tily    -     Mpanazava    -    kiady