
Filohan'ny Filankevitra Nasionaly RAKOTONDRAZAFY Florent 
Faha zato taonan'ny skotisma teto Madagasikara an-tsary 
Faha Valopolo taonan'ny Antily teto Madagasikara an-tsary 
Hetsika Isan-karazany Nokarakarain'ny Foibe  | Filohan'ny Conat | |  | Filoha iombonana | |
|
| | | « Filankevitra Nationaly » na «CONAT» no miandraikitra ny fitantanana ny Antilin’i Madagasikara, Solontena iray isaky ny Diosezy no mambran’ny Filankevitra Nasionaly ary enin- taona tsy azo havaozina ny faharetan’ny fahefan’ny isam-batan’olona. Mambran’ny Filankevitra Nasionaly avy hatrany ny Filoha Iombonana sy ny Ray am-panahy Iombonana. Tsy mitoetra avy hatrany ny maha-mambran’ny Filan-kevitra Nasionaly raha vao tsy mpikambana intsony. Raha ilaina dia azon’ny Filankevitry ny Diosezy atao ny manolo ny solontenany azon-tsampona na tsy mahavita ny andraikiny. Tapitra amin’ny fotoana tokony hahataperan’ny fahefan’ireo nosoloiny anefa ny fahefany. | | | | Birao Filan-kevitra Nasionaly Amin’ny alalan’ny latsa-bato miafina no anangan’ny Filankevitra Nasionaly ny Biraony, izay misy Mpitari-draharaha iray, Mpitari-draharaha lefitra iray, Mpitantsoratra iray ary Mpitambola iray. Mambra avy hatrany ao amin’ny Biraon’ny Filan-kevitra Nasionaly ny Filoha Iombonana sy ny Ray am-panahy Iombonana. Roa taona azo havaozina no faharetan’ny fahefan’ny Birao. Manendry solontena hafa izay Diosezy lasa Filohan’ny Filankevitra Nasionaly ny solontenany. Amin’ny fanavaozana ny birao isan-droa taona ka tsy lany ho Filoha intsony ilay Filoha teo aloha, dia miala avy hatrany ao amin’ny filan-kevitra nationaly izy. | |
| | Ny fandaharan’asa “skoto tsimialonjafy” Nankatoavin'ny be sy ny maro tamin’ny fivoriam-be natao tany Fianarantsoa ihany koa ny fandaharan’asa skoto tsimialonjafy (scout du monde). Programa navoakan’ny birao iraisam-pirenen’ny skotisma iarahany miasa amin’ny Firenena Mikambana izay misahana indrindra ny tanora sy ny sakan-jaza mahakasika ireto lohahevitra telo ireto: Tetik’asa roa lehibe no hotanterahina amin’izany manerana ny nosy : Fananganana ivo-toerana skoto tsimialonjafy manerana ny nosy ahafahan’ny tanora mamantatra sy manatanteraka lahasa. Fanomezana brevet skoto tsimialonjafy ho an’ireo tanora nahavita aradalana ny lahasa nokasainy atao teo amin’ny ivotoerana. Ny ivotoerana tsirairay dia tafiditra ao anatin’ny tranonkala skoto tsimialonjafy (réseau scout du monde) | | | | Fivoriamben'ny Antily natao ny 14-15 Aprily 2007 teny Itosy Nahavita ny Fivoriambe ara-potoana fanaony isaky ny 6 taona ny 14-15 Aprily 2007 lasa teo ny Antilin'i Madagasikara reheffa hita fa nahafeno ny Corum ilaina amin'izany, nahitana mpandray anjara miisa 150 avy any amin'ny diosezy : - Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Morondava, Antsiranana, Ambanja, Miarinarivo, Fianarantsoa, Ihosy, Toliary, Mananjar, Farafangana, Ambatondrazaka Zavatra nodinihina tao dia ny : Fiainampikambanana amin'ny ankapobeany, Tatitra nataon'i Filoha RALAISEHENO Jose (Filoha Iombonana tetezamita napetraky ny Filankevitra nasionaly taorian'ny fametram-pialana nataon'i Filoha Francois noho ny asa aman'andraikitra sy ny toerana nifindrany ka tsy ahafahany mitana intsony ny toeran'ny maha Filoha iomona'ny Antily azy) Tatitra nataon'ny Filoha Iombonana teo aloha RASOANAIVO Francois Xavier sy ny Ekipany Fifidianana Filoha iombonana Vaovao izay nahalany an'i Chef Ralison ANDRIAMANDRANTO hitondra ny fikambanana indray ato anatin'ny 6 taona manaraka | | | | Sakaizan'ny Antilin'i Madagasikara (SAIM) | | | | Ireo ray aman-dreny,na ireo efa nandalo tao amin'ny fanabeazana Skoto, na ireo mpankasitraka ny fikambanana, dia afaka mirotsaka ho SAIM raha te hanohana ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora ao amin'ny fikambanana, araka ny voalazan’ny andininy faha efatra amin’ny fitsipi-pitondrana.
Ny SAIM dia afaka manohana ny ambaratonga samihafa ato amin'ny fikambanana :Sakaizan’ny Antily eo amin’ny fivondronana Sakaizan’ny Antily eo amin’ny Faritra Sakaizan’ny Antily eo amin’ny Diosezy Sakaizan’ny Antilin’iMadagasikara
Anjaran’ny SAIM isan’ambaratonga mijoro no mamaritra ny fitsipika sy ny fepetra mifehy azy sy ny mpikambana ao aminy, ankoatra ireto fitsipika sy fepetra fototra tsy maintsy hajaina ireto:
FIRAFITRY NY SAIM
Mifidy filoha iray sy filoha lefitra ny SAIM
Mandray anjara hatrany amin’ny fivorian’ny SAIM ny tompon'andraikitry ny ambaratonga misy ny SAIM.Izy no miantoka ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana .
Eo anatrehan’ny lalàna dia ny Antilin’iMadagasikara ihany no miantoka ny SAIM, ary ny anaran’ny fikambanana hatrany no entiny mifampiraharaha.
Ny Ambaratonga mpiahy no mankatoa no mankatoa ny fijoroan’ny SAIM iray.Tsy maintsy ampahafantarin’ny tonia na izay filohan’ny ambaratonga misy azy ny Foibe ny SAIM tafajoro ,ny mombamomba ny filohany sy ny mombamomba ny filoha lefitra , ny anaran’ireo mpikambana ao ary ny fitsipika narafitra hifehy azy.
Tsy mahazo mitsabaka mihitsy amin’ny andraikitry ny mpanabe ny SAIM, fa afaka manolo-kevitra hatrany ho azy ireo.
Ny filohan'ny SAIM na solontena iray dia afaka manatrika ny Filankevitry ny ambaratonga tohanany fa tsy manapa-kevitra momba ny fanabeazana
Ny SAIM Nasionaly sy ny any amin’ny ambaratongan’ny Faritra na ny Diosezy dia manana zo handefa olona iray avy handray anjara sy ho isan’ny mpanapa-kevitra amin’ny fivoriambe. Ny mpikambana anatin’ny SAIM dia azo fidiana ho mambran’ny Filan-kevitra Nasionaly.
ANDRAIKINY
- Manohana ny fikambanana amin’ny lafiny ara -panahy, hevitra , vola , fitaovana sy fifandraisana.
- Fanampiana amin’ny fitadiavana tompon'andraikitra amin'ny ambaratonga misy azy.
- Ny fitadiavana teknisianina hahatomombana ny lahasan'ny ambaratonga misy azy.
- Tsy mitahiry vola na fitaovana ny SAIM fa atolony hatrany ny fikambanana izany
- Mandoa vatom-panorenana mba hahampikambana feno azy ato amin'ny AIM ka toy izao ny fitsinjarana azy :
- Latsakemboka ho an'ny AIM
- Ampahany omena ny ambaratonga tohanany
- Aroloza amin'ny fanatanterahana ny lahasa ato amin'ny fikambanana
|
| | | | |
| | |
ANTILIN’I MADAGASIKARA Ambonin’ny Tonelina Ralaimongo Atsimon’Analakely Antananarivo Tél/Fax 261 26 038 25 – adresse électronique : antily-foibe@antily.org BP 1652 Antananarivo (101) Fédération du Scoutisme à Madagascar Antily - Fanilo - Tily - Mpanazava - kiady copyright Antilin'i Madagasikara Aout 2007 |

|
| Ny DIOSEZY 20 misy Antily sy ny Solotenany Ao amin'ny CONAT | Archi centre | | | Ambatondrazaka | | Chef = | | Moramanga | | Chefain Lalao | | Tsiroanomandidy | | Chef | | Miarinarivo | | Chef Berchmans | | Antananarivo | | Chef Rapanarivo | | Antsirabe | | Chef | Archi Nord | | | Toamasina | | Chef Joseph | | Antsiranana | | Chef Bifa | | Ambanja | | Chef Jeremia | | Mahajanga | | Chef Florent | | Port Berger | | Chef Ralaivita | Archi Sud | | | Ambositra | | Chef Feno | | Fianarantsoa | | Chef Francois | | Mananjary | | Chef | | Farafangana | | Chef Martin | Archi Sud Ouest | | | Ihosy | | Chef | | Toliary | | Chef Alexandre | | Morombe | | Chef | | Morondava | | Chef | | Taolangaro | Chef |
| |
|